Accueil

Esther Randriamamonjy “Tsy misy afa-tsy ny Teny malagasy no hahafahan’ny Malagasy mivoatra”

Fredo Rakotoarisoa
Esther Randriamamonjy “Tsy misy afa-tsy ny Teny malagasy no hahafahan’ny Malagasy mivoatra”

Tafiditra ao anatin’ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana na ny «Plan Sectoriel de l’Education» (PSE), izay eo an-dalam-pampiharana, amin’izao fotoana izao, ny fanovana ny teny ibeazana eny amin’ny ambaratonga fototra ho Teny malagasy. Hitondra voka-dratsy ho an’ny ankizy malagasy ve izany fanapahan-kevi-panjakana izany?

Azo antoka fa hamerina ny hasin’ny tenindrazantsika io fiovana lehibe io. Efa niainantsika koa anefa ny fanagasiana ka hita fa tsy nahomby. Manome fanazavana momba an’io fanapahan-kevitra io ny filohan’ny sokajy voalohany eo anivon’ny Akademia Malagasy sady lehiben’ny Foiben’ny Teny, Esther Randriamamonjy.

Azo heverina ve ny hisian’ny fampianarana ny Teny malagasy feno (tenim-paritra miampy ny teny ofisialy)?

Fitaovana fototra tsy azo ihodivirana amin’ny fanabeazana ny teny malagasy. Azo atao tsara ny mampianatra ny karazam-pitenenana rehetra misy eto amintsika ho porofo fa voafehinao manontolo ilay antsointsika hoe “TenindReny”.

Ho fametrahana ny hasin’ny tenindrazana sy ho fampiroboroboana azy ary hahafahan’ny olom-pirenena rehetra mahafehy ny fiteny Malagasy feno. Tsy maintsy raisina ho zava-dehibe ny tenin-dreny satria maneho ny maha izy ny olona tsirairay manoloana ny fototra iorenan’ ny fiainampiarahamonina, ny lafiny toekarena ary indrindra ny kolontsaina. Ny fampitana amin’ireo taranaka mifandimby ny lanjan’ny tenin-dreny no heriny.

Hahasoa sa hitondra voka-dratsy ho an’ny ankizy toy ny “Fanagasiana” efa natao teo aloha ny fampianarana azy ireo indray amin’ny Teny malagasy ?

Tsy misy afa-tsy ny Teny malagasy no hahafahan’ny Malagasy mivoatra. Nohazavain’i E.D Andriamalala tsara ao anatin’ny boky “Ny Fanagasiana”, fa mora kokoa amin’ny zaza malagasy ny mandray ny lesona rehefa atao amin’ny Teny malagasy ny fampianarana. Tsy vitan’izany fa azo antoka kokoa ny hamokaran’i Madagasikara olom-banona feno: sady manampahaizana no manaja ny soatoavina malagasy.

Tsarovy fa tamin’ny Teny malagasy no nampitana fahalalana tamin’ireo mpianatra ho mpitsabo tany am-piandohana. Niloa-bava mihitsy ireo mpampianatra vahiny tamin’izany fa marani-tsaina ny Malagasy. Koa nahoana ary no tsy ho vita izany amin’izao?

Ny hevitry ny Akademia Malagasy mikasika ny fanovana ny teny ibeazana amin’ny teny malagasy?

Tsiahivina fa efa nisy drafitry ny politikam-pirenena momba ny teny Malagasy natolotra ny fitondram-panjakana, tamin’ny taona 2016. Miandry avokoa ny rehetra ary manantena ny hisian’ny tohiny. Antoky ny fana-beazana tsara kalitao ny fametrahana ny politikan’ny Teny enti-manabe.

Hanorina ho avy mafy orina ho an’ny taranaka mantsy no tanjona ho an’ny Akademia Malagasy. Tombony lehibe ho antsika ny fampianarana ny kilonga any amin’ny ambaratonga fototra amin’ny teny fampiasany isam-paritra. Fanoitra ho an’ny fampandrosoana izany satria harena azo aondrana ny teny. Marihina fa tsy zava-baovao akory ny fampiroboroboana ny teny malagasy ofisialy sy ny tenim-paritra. Ny fampiharana azy avy amin’ny fanjakana no andrasana dia miainga io.

Misy ve ny voka-pikarohana vaovao?

Tsy mitsahatra manao fikarohana ny eo anivon’ny Akademia malagasy ho fanatsarana sy fampivoarana ary fanabeazam-boho ny Teny malagasy.

Anisan’ny voka-pikarohana vaovao, ohatra, ny boky mirakitra ny voambolana mikasika ny riaka sy ny morony, ny fanabeazana ary ny fitantanandraharaham-panjakana. Samy ahitana an’ireo avokoa na etsy amin’ny Foiben’ny Teny ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, na eny amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Hivoaka atsy ho atsy ihany koa ny “Rakibolana Rakipahalalana” efa ahitana voambolana amin’ny fitenim- paritra samihafa.

Pages