Accueil
Aimé CESAIRE
Frantz FANON
Paulette NARDAL
René MENIL
Edouard GLISSANT
Suzanne CESAIRE
Jean BERNABE
Guy CABORT MASSON
Vincent PLACOLY
Derek WALCOTT
Price MARS
Jacques ROUMAIN
Guy TIROLIEN
Jacques-Stephen ALEXIS
Sonny RUPAIRE
Georges GRATIANT
Marie VIEUX-CHAUVET
Léon-Gontran DAMAS
Firmin ANTENOR
Edouard Jacques MAUNICK
Saint-John PERSE
Maximilien LAROCHE
Aude-Emmanuelle HOAREAU
Georges MAUVOIS
Marcel MANVILLE
Daniel HONORE
Alain ANSELIN
Jacques COURSIL

“Can 2019”: hahazo 1.500.000 dôlara ny Barea raha mandresy an’i Tonizia

“Can 2019”: hahazo 1.500.000 dôlara ny Barea raha mandresy an’i Tonizia

Efa fantatra avokoa, ny tambin-kasasarana “primes”, homen’ny Kaonfederasiona Afrikanina baolina kitra (Caf), ho an’ireo ekipa tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ity. Hatreto, efa nahazo 800.000 dôlara, ny Barea de Madagascar, ary mbola hahazo 1 500 000 dolara na enina miliara  ariary mahery, raha mandresy an’i Tonizia eo.

Araka ny vaovao, nivoaka omaly, tao anaty tambanjotran-tserasera, dia nampahafantarin’ny Caf, ho an’ireo ekipa rehetra nandray anjara, tamin’ity “Can 2019” ity, ny “prime”, homena azy ireo. Raha ho an’ny Barea de Madagascar, manokana, efa nahazo 800.000 dôlara izy ireo, noho ny nahatafita azy, teo amin’ny dingana ampahefa-dalana. Mbola hiakatra, 1.500.000 dôlara izany, raha mandresy an’i Tonizia, rahampitso alakamisy. Ry zareo Tonizianina, ekipa azon’ny Barea, resena tsara araka ny fahitan’ireo teknisianina sy ny mpanao gazety, avy any ivelany azy. Lasa, 2.000.000 dôlara io “prime” io, raha tonga eo amin’ny famaranana ny Barea ary tafakatra 4.000.000 dôlara izany raha toa ka mandrombaka ny amboaran’i Afrika, ny Barea de Madagascar.

Mbola lavitra anefa ny lalana hahazoana izany, hatreto fa mila ezaka goavana. Raha tsiahivina, efa niatrika ny fanomanantena ny Barea, nanomboka omaly talata taorian’ny fialan-tsasatra, nomena ireo mpilalao ny alatsinainy, lasa teo. Tsiahivina fa ao amin’ny kianja Cairo Stadium, no hanatontosana ny lalaon’ny roa tonta, rahampitso alakamisy, manomboka amin’ny 10 ora alina.

10 tapitrisa ariary isaky ny baolina maty

Ny talata lasa teo, niatrika ny fiofanana momba ny “arbitrage video” (Var), hiasa manomboka amin’ity ampahefa-dalana ity, ireo mpilalaon’ny Barea, rehetra mba tsy hanavao, amin’izany. Toy izao, àry ny fandaharan-dalao eo amin’ny dingana ampahefa-dalana, hatao anio alarobia 10 sy rahampitso alakamisy 11 jolay, ho avy izao.

Tsiahivina fa efa nahazo vola 10 tapitrisa ariary avy amin’ny mpanohana isaky ny baolina maty ireo mpilalaon’ny Barea.  Hatreto, nahatafiditra 11 izy ireo.  Izany hoe efa nahazo 110 tapitrisa ariary izy ireo mialoha izao dingan’ny ampahefa-dalana izao… Mbola hisy mpanohana hafa koa hanome  tambiny azy ireo.

 

Tompondaka

Connexion utilisateur

CAPTCHA
Cette question sert à vérifier si vous êtes un visiteur humain afin d'éviter les soumissions automatisées spam.